Auteur/autrice : Adnews

Tenisy – “ITF W15” de Paris! Resin’i Tiantsoa ilay rosianina Andrienko

Manohy ny diany amin’ny fiadiana ny ITF W15 de Paris, taranja tenisy, Ratre Ando Tiantsoa, Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay. Ny talata lasa teo nandritra ny fihodinana voalohany, nandresy ilay rosianina, i Maria Andrienko, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/4) ny tovovavy. Nahagaga ny rehetra ity vokatra […]

Barea U23 : Voasakana tetsy Ivato ny mpanazatra

Nanainga omaly, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny delegasiona ekipam-pirenena Barean’i Madaga­sikara, sokajy zandriny U23. Tsy lasa any Afrika Atsimo niaraka tamin’ireo mpilalaony ny mpanazatra Boualem Man­kour, noho ny olana ara-taratasy fahazoan-dalana hiditra amin’ny firenen-kafa “Visa”. Efa nandamina izany avy hatrany ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), raha ny filazan’ny loharanom-baovao […]

SOMBIM-BAOVAO

Tapitra ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026) ho an’ny Malagasy. Namarana azy ny taranja atletisma. Nihintsana teo amin’ny fifaninanana ho an’ny halavirana 200 m i Jauslin Laura. Laharana fahadimy no nisy azy ary 27 s 46 % ny fe-potoany. Ny Makis Ladies irery izany no hany nitondra medaly nody […]

Fihaonana amin’i GuinĂ©e Bissau : Iankinan’ny hoavin’ny Barea amin’ny Can 2027

Tsy maintsy mandresy an’i GuinĂ©e Bissau ny ekipa nasionaly Barea, anio, any Maroc, raha mbola te ho tafiditra anaty hazakazaka, hahazoana ny tapakila handraisana anjara amin’ny Can 2027. «Tonga ity ny fotoana»! Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Meknes, Maroc, ny lalao mandroso hihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny OS Djurtus GuinĂ©e […]

INDRAY MIJERY

Taorian’i Mahajanga, anjaran’ny tapany Atsi­mon’i Madagasikara indray no handray ny fihaonambe ho fanavaozana ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hotanterahina ny 19 sy 20 novambra ho avy izao, ao Fianarantsoa izany. Fotoana iray hifanakalozan-kevitra amin’ireo mpampiofana, mpianatra, ray aman-dreny ary mpiara-miombon’antoka, hiaraha-mamantatra ireo laharam-pahamehana hanavaozana sy hanorenana ny hoavin’ny […]