Hankany amin'ny vontoatiny

Malus domestica

Avy amin'i Wikipedia
Foto-paoma misy voany

Ny paoma, izay atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Malus domestica na Malus pumila dia zavamaniry fihinam-boa, maitso ravina lalandava, maniry any amin' ny faritra manana toetany antonony mangatsiakan ao amin' ny fianakaviana des Rosaceae. Io no karazana tena be mpamboly amin' ny antokon-javamaniry misy azy (Malus), satria fihinana. Anarana ahafantarana azy koa ny hoe Malus communis sy Malus pumila.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Vonim-paoma

Miendrika boribory lavalava ny ravim-paoma, fisaka ny eny amin' ny tendrony ary be tsiratsiraka ny ao ambaniny, indraindray misy tsilo. Hazo mora mihintsan-dravina ny paoma.

Boribory miloko fotsy madio na misy soritsoritra mavokely na mavokely somary matroka ny voniny. Misy ny karazam-paoma manome voniny miloko mena.

Voam-paoma

Be nofony malemy, mamy na somary makirana, sady misy ranony ny voan' ny paoma. Isan-karazany ny fomba ihinanana ny paoma: hanina rehefa masaka tsy nahandroina na masaka nahandroina, hanina lena na maina, hanina ventiny na atao ranom-boankazo. Azo anamboarana vinaingitra sy alikaola koa ny paoma.

Fambolena paoma

[hanova | hanova ny fango]
Paoma mamony

Novolen' ny olombelona hatry ny anarivo taona ny paoma mba hahazona ny voany izay manana tsiro mamy sy somary makirana. Ankehitriny dia maro ny karazana paoma avy amin' ny fanaovana girefy taloha na avy amin' ny fampifangaroana lahimbony sy vavimbony avy amin' ny paoma maro samy hafa. Tokony naniry tany amin' ny faritra manodidina ny Ranomasina Mainty hatrany amin' ny Ranomasina Kaspiana ny paoma, nefa tsy fantatra mazava ny toerana naniriany voalohany ao amin' io faritra io. Efa tia paoma ny Grika sy ny Rômana tamin' ny Andro Taloha. Ireo voanjo eorôpeana voalohany tonga tany Amerika Avaratra no nampiditra ny paoma tao amin' io kôntinenta io.

Toerana mety amin' ny fambolena paoma

[hanova | hanova ny fango]
Paoma maniry an-tanàna

Ny toerana mety tsara fambolena paoma dia ny faritra manana sala-maripana manakaiky ny 0 °C mandritra ny roa volana. Misy anefa ny paoma mahatanty hatsiaka hatrany amin' ny -40 °C. Mitombo taranaka amin' ny alalan' ny girefy na ny fanatsatohana ny tahony amin' ny tany ny paoma. Tsy mety mahavanona voany ny lahimbony sy ny vavimbony avy amin' ny vonim-paoma iray fa tsy maintsy mila lahim-bony avy amin' ny vonim-paoma hafa. Noho izany dia volena mifangaro ny ovan-karazana samihafa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]