Wikipedia:Vaovao/2026/Avrily 2026
Fiseho
< Wikipedia:Vaovao | 2026
- 30 Avrily 2026 :
- Nahazo ny maro an'isa tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tao Antigoa-sy-Barboda ny Antokon' ny mpiasa tarihin'ny praiminisitra Gaston Browne
- 29 avrily 2026 :
- Notsipahin' ny Antenimieran-doholona federaly ao Brezila tamin'ny vato 42 manoloana ny 34 nanaiky ny fanendrena an'i Jorge Messias ho Mpitsara Tampony Federaly. Sambany no nisy fitsipahana tahaka izany tao amin'io firenena io hatramin'ny taona 1894.
- 28 avrily 2026 :
- Niala tamin'ny OPEP ny Emirà Arabo Mitambatra.
- Nanendry masoivoho dimy vaovao hisolo tena an' i Madagasikara any ivelany ny Fitondrana Fanavaozana eto Madagasikara nandritra ny filankevitry ny minisitra. Michel Rabemahefa ao Frantsa, Edelin Calixte Randriamiandrisoa ao Soisa, Auguste Paraina ao Ethiopia, Toavina Ralambomahay any Afrika Atsimo ary Joahary Ratovondrahona ao Maraoka.
- 27 avrily 2026 :
- Fiarandalamby roa no nifandona tao akaikin'i Jakarta, Indonezia ka nahafaty olona 15 sy naharatra 84 hafa.

- 26 avrily 2026 :
- May ny rovan'Ambohidratrimo, Madagasikara, nanomboka tamin'ny 11 ora alina teo ho eo. Be avy hatrany ny nihevitra fa nisy nandoro izy io.
- Montsan'i Sabastian Sawe teratany kenyana, tao Londres, ny zavabita tsara indrindra amin'ny hazakazaka Marathon fa vitany tao anatin'ny 1 ora 59 minitra ary 30 segondra izany. Ity no Marathon voalohany vita latsaky ny ora roa.
- 25 avrily 2026 :
- Cole Thomas Allen no anaran' ilay olona voasambotra tamin' ny fikasana hitifitra an'i Donald Trump nandritra ny sakafom-pihaonan' ireo solontenan-gazety mpankao amin'ny Trano Fotsy.
- Niara-nanafika tanàna maromaro tao Mali (Bamako, Kati, Mopti, Sévaré Gao, Bourem ary Kidal) ny jihadista avy amin'ny Vondrona manohana ny Islam sy ny Miozolomana sy ny Mandam-panafahana an'i Azawad ary nahafaty ny Minisitry ny Fiarovana ny kolonely Sadio Camara.
- 21 avrily 2026 :
- Voatery nofoanana ny fitsidihana ofisialy saika hataon'ny filohan'i Taiwan, Lai Chin-te, an' i Eswatini fa tsy namela ny faritr'habakabany isidinan'ny voromby mitondra azy i Seychelles, Maorisy ary Madagasikara.
- 20 avrily 2026 :
- Nahatratra 7.4 amin'ny maridrefy Richter ny fihovitrovitry ny tany manamorona ny sisin-dranomasin' i Japàna ka niteraka fanairana amin'ny mety hisian' ny tsunami.
- Miaramila enina, (kaporaly roa, serzà-sefo roa, adjidà-sefo iray, adjidà iray) Nanao fanafihana miram-piadiana teny akaikin' ny tetezan' Ambodihady, Antananarivo, Madagasikara. Vola maherin' ny 70 tapitrisa ariary no lasan-dry zareo tamin'izany.
- 19 avrily 2026 :
- Ny fiaraha-miasa "Bolgaria liam-pandrosoana" elatra afovoany-havia izay tsy mankasitraka ny Vondrona Eoropeana sady mpomba an'i Rosia, tarihin' i Rumen Radev (sary), filohany hatry ny ela, no nahazo ny ankamaroan'ny toerana tamin'ny fifidianana parlemantera Bolgara.
- 18 avrily 2026 :
- Tsy nahomby amin'ny ankapobeny ny fidinana an-dalambe teo Ambohijatovo nataon'ny ampahan'ny Gen Z mitaky ny hamotsorana ireo namany nosamborina sy natao famotorana.
- Nankalazaina sy natrehin'ny mpitondra maro notarihan'ny PRRM tao Toliary ny nametrahana ny tsapiky ho vakoka manerantany tsy tsapan-tanana anivon'ny UNESCO
- 15 avrily 2026 :
- Voatendry ho filohan'ny delegasiona manokana eto Antananarivo Renivohitra, Atoa Ralambomanana Fenoherintsoa, solombavambahoaka TIM voafidy tao amin'ny Boriborintany fahatelo Antananarivo. Filoha lefitra voalohany: Atoa Ralaiharison Nirina Thiery ary Filoha lefitra faharoa: Atoa Ranaivoson Ny Hery Mananjara. Nihintsana moa ny Ben'ny Tanàna araka ny didim-pitsarana ara-pitantanam-panjakana.
- 13 avrily 2026 :
- Fantatra fa dimy ny isan'ireo Gen Z nitarika ny hetsika 10 avrily 2026 nosamborina sy atao fanadihadiana ao amin'ny Brigade Criminelle ao Anosy.[2] [3]
- Namoaka fanambaràna iraisana, hita amin'ireo pejy media sosialy an'ireo fikambanana manana ny lazany sy azo itokisana, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana miisa 70 eto Madagasikara, azo tononina ho Firaisamonim-pirenena, miantso ny mpitondra ny firenena amin'izao fotoana izao hanaja ny zo sy ny fahafahana fototra miteny sy maneho hevitra. Nomelohin-dry zareo ny fisamborana an-keriny sy tsy ara-dalàna natao tamin'ireo tanora nanao fihetsiketsehana ny zoma 10 avrily teo teny Ambohijatovo. Tsikaritra fa lasa fiampangana mahazatra ny "fanohintohinana ny filaminam-bahoaka" fanaon'ny mpitondra teo aloha efa nesorina. Takìn'ny Firaisamonim-pirenena amin'ny mpitondra noho izany ny:
- Hamotsorana avy hatrany, tsy misy fepetra ireo tanora mpanao fihetsiketsehana ary naneho hevitra am-pilaminana.
- Hanajana ny zo fototra
- Hametrahana sehatra fifampiresahana ofisialy, ahafahan'ireo mpisehatra rehetra, indrindra ny fikambanan'ny tanora, haneho am-pilaminana ny heviny, handroso ny soso-keviny sy ny fijeriny, ao anatin'ny fanajana ny firaisankina sy ny tsy fampiasana herisetra ary ao anaty ny firaisampirenena.
- 12 avrily 2026 :
- Nandresy tamin'ny fifidianana parlemantera Hongroà ny Antoko Tisza tarihin'i Péter Magyar, namarana ny 16 taona nitondran'ny Fidesz tarihin'i Viktor Orbán.
- 11 avrily 2026 :
- Nigadona teto an-tany tao amin'ny Oseana Pasifika ny sambondanitra Artemis 2 an'ny NASA, raha niainga ny 1 avrily teo ka nahavita nihodidina ny volana.
- Nampidirin' ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fitahirizana ny Zavaboary (IUCN) ho anisan'ny ahiana ho lany tamingana ny manchot empereur (Aptenodytes forsteri) noho ny fiantraikan'ny fiovan' ny toetany.
- Tonga any Islamabad, Pakistan ireo delegasionan'i Etazonia sy Iran mba hifampiraharaha ny fampitsaharana ady. Io no fihaonana ambony indrindra teo amin'ny firenena roa tonta hatramin'ny Revolisiona Iraniana 1979. Ny delegasiona Iraniana notarihin'ny filohan'ny parlemanta Iraniana Mohammad Bagher Ghalibaf sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Abbas Araghchi ary ny delegasionan'i Etazonia kosa notarihin'ny filoha lefitra JD Vance.
- Nihaona tamin'i Xi Jinping, Sekretera Jeneralin'ny Antoko Kômonista Shinoa, tao Beijing ny delegasionan'ny Kuomintang notarihin'ny Filohany, Cheng Li-wen.
- 8 avrily 2026 :
- Nandidy ny fanjakana malagasy fa tsy hahetsika mandritra ny tapabolana ny vidin'ny solika eto Madagasikara. 4900 Ar ny litatry ny lasantsy, 4660 Ar ny litatry ny gazoala ary 3510 ariary ny litatry ny solitany (pétrole).[4]
- Noho ny fanelanelanana nataon'i Pakistan dia mitsahatra tapabolana ny ady ifanaovan'i Etazonia sy Iran
- Ora vitsy taorian'ny fampiatoana ady tao amin'ny faritra, nahafaty olona 357 farafahakeliny ny fanafihana israeliana tao Libàna.
- 7 avrily 2026 - Filankevitry ny minisitra manambara ny hamehana ara-angovo manerana ny firenena mandritra ny tapabolana noho ny tsi-fahampian'ny solika vokatry ny ady ifanaovan'i Etazonia sy Iran.[5]
- 3 avrily 2026 - Olona 13 no ampangain'ny mpitondra ho mikasa hamono ny filoha Randrianirina Michaël, hoy ny mpampanoa lalàna Narindra Navalona Rakotoniaina, 11 no notazonina tamin'izy ireo.[6]
Loharano
[hanova ny fango]- ↑ https://2424.mg/news/vindicte-populaire-tout-le-mobilier-du-commissariat-de-vohemar-calcine-apres-lincendie-causee-par-une-foule-en-colere-aucune-arme-derobee/
- ↑ https://la1ere.franceinfo.fr/reunion/madagascar-cinq-jeunes-de-la-gen-z-places-en-garde-a-vue-1691498.html?
- ↑ https://midi-madagasikara.mg/gen-z-herizo-auditionne-a-la-brigade-criminelle/
- ↑ https://www.omh.mg/index.php?page=filactus&id=92
- ↑ https://www.bbc.com/news/articles/cgj0dzwgzq5o
- ↑ https://www.africanews.com/2026/04/03/madagascar-13-charged-in-plot-to-kill-interim-leader-randrianirina/