Sakamena
Sakamena dia vohitra iray akaikin'i Betroka izay ao amin'ny faritra Anosy any Madagasikara.
Izy ihany koa dia anrana azo avy amin'ny sosona ara-jeolojika misy vatolampy sedimantera tamin'ny vanim-potoana Permian izay nahitana fÃīsily maro momba ny biby manana hazon-damosina, anisan'izany ny Triadobatrachus (ny lissamphibian voalohany [1] ), Claudiosaurus, iray amin'ireo biby mandady an-drano voalohany, [2] ary ny Coelurosauravus, ny biby mandady mivelatra voalohany. [3] [4] [5]
Ny Sosona Sakamena dia sosona vatolampy sedimantera niforona nandritra ny vanim-potoana Permian (eo amin'ny 299 ka hatramin'ny 252 tapitrisa taona lasa izay) sy ny fiandohan'ny Triasika. Ahitana fasika, vato tanimanga ary vatokely izy io. Zava-dehibe eo amin'ny fikarohana ara-tsiansa ity sosona ity satria nahitana fÃīsily maro an'ny zavamananaina fahiny.
Sakamena anisan'ny anaran'ny toeram-pitrandrahana arintany izay eo akaikin'ny toeram-pitrandrahana arintany ao Sakoa . Samy eo ambany fanombanana sy fampandrosoana ataon'ny Madagascar Consolidated Mining, sampan'ny Red Island Minerals, orinasa naorin'i Sam Malin, ny toeram-pitrandrahana arintany Sakamena sy Sakoa. Anisan'ireo toeram-pitrandrahana arintany hafa mifanila amin'ny faritr'i Sakamena ny toeram-pitrandrahana Ianapera, Imaloto ary Vohibory.
- â Ascarrunz, Eduardo; Rage, Jean-Claude; Legreneur, Pierre; Laurin, Michel (14 June 2016). "Triadobatrachus massinoti, the earliest known lissamphibian (Vertebrata: Tetrapoda) re-examined by ΞCT scan, and the evolution of trunk length in batrachians". Contributions to Zoology 85 (2): 201â234. doi:10.1163/18759866-08502004. ISSN 1875-9866. https://brill.com/view/journals/ctoz/85/2/article-p201_4.xml.
- â De BuffrÃĐnil, Vivian; Mazin, Jean-Michel (1 September 1989). "Bone histology of claudiosaurus germaini (reptilia, claudiosauridae) and the problem of pachyostosis in aquatic tetrapods". Historical Biology 2 (4): 311â322. doi:10.1080/08912968909386509. ISSNÂ 0891-2963.
- â EVANS, SUSAN E.; HAUBOLD, HARTMUT (1 July 1987). "A review of the Upper Permian genera Coelurosauravus, Weigeltisaurus and Gracilisaurus (Reptilia: Diapsida)". Zoological Journal of the Linnean Society 90 (3): 275â303. doi:10.1111/j.1096-3642.1987.tb01356.x. ISSNÂ 0024-4082.
- â Frey, Eberhard; Sues, Hans-Dieter; Munk, Wolfgang (7 March 1997). "Gliding Mechanism in the Late Permian Reptile Coelurosauravus". Science 275 (5305): 1450â1452. doi:10.1126/science.275.5305.1450. https://archive.org/details/sim_science_1997-03-07_275_5305/page/1450.
- â Buffa, Valentin; Frey, Eberhard; Steyer, J.-SÃĐbastien; Laurin, Michel (4 March 2021). "A new cranial reconstruction of Coelurosauravus elivensis Piveteau, 1926 (Diapsida, Weigeltisauridae) and its implications on the paleoecology of the first gliding vertebrates". Journal of Vertebrate Paleontology 41 (2). doi:10.1080/02724634.2021.1930020. ISSNÂ 0272-4634.