Hankany amin'ny vontoatiny

Juncus effusus

Avy amin'i Wikipedia
Juncus effusus

Ny Juncus effusus dia karazana zavamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Juncaceae. Maniry any amin' ny tany mando manana toetany antonony (sahalava mando, heniheny, ary dobo) ity karazana ity, manomboka amin' ny haabon'ny ranomasina ka hatramin' ny 1 700 m. Ambolena ho zavamaniry fanao haingo izy io.

Vonin' ny Juncus effusus

Karazana hita amin' ny faritra maro dia maro ny Juncus effusus izay fahita manerana ny ampahany be amin' i Eorôpa, any Azia Atsimo ka hatrany Indônezia, any Amerika Avaratra, ary koa any amin' ny nosin' i Atlantika sy eto Madagasikara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]