Hankany amin'ny vontoatiny

Ixora coccinea

Avy amin'i Wikipedia
Ixora coccinea

Ny Ixora coccinea dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Rubiaceae. Hazobotry mamony fahita matetika izy io, izay avy any amin' ny faritra amin' i India any any Bangladesy ary any Srilanka. Lasa anisan' ny hazobotry mamony fantatra indrindra eny amin' ny zaridaina sy amin' ny fandravahana tontolo any amin' ny faritra atsimo amin' i Florida izy io. Izy no voninkazom-pirenen' i Sorinamy.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Ixora coccinea

Ny Ixora coccinea dia hazobotry matevina, maro sampana, maitso ravina lalandava, manana haavo mirefy 1,2 hatramin' ny 1,8 m, nefa afaka mahatratra 3,7 m. Manana endrika boribory izy io, ary ny fivelarany dia mihoatra ny haavony. Boribory tendro sy lavalava ary feno ny raviny izay sady henjana no manjelatra, manana halava mirefy 10 sm eo ho eo, mifanohitra tsiroaroa na mivondrona manodidina ny tahony. Manana vony kely miendrika fantsona sy miloko mena midorehitra izy saika mandritra ny taona, ka ireo vony ireo dia mivondrona ho bola matevina manana savaivo mirefy 5,1 ka hatramin' ny 12,7 sm.

Fambolena

[hanova | hanova ny fango]
Ixora coccinea fotsy

Na dia misy karazany manodidina ny 500 aza ao anatin' ny vondron-karazana Ixora, dia vitsy ihany no tena volena matetika, ary matetika ny anarana hoe "Ixora" dia ilazana manokana ny Ixora coccinea. Any amin' ny faritra mafana, ny Ixora coccinea dia ampiasaina hanaovana fefy velona na sakana voajanahary, ambolena eo amin' ny fototry ny trano, ambolena betsaka mba hamoronana faritra rakotra voninkazo, na koa avela haniry mitokana miavaka (hazo madinika na hazobotry). Any amin' ny faritra mangatsiatsiaka kokoa dia volena ao anaty trano mitahiry hafanana na ao anaty tavim-boninkazo ao an-trano izay mitaky hazavana tsara izy. Azo ambolena ao anaty tavim-boninkazo lehibe koa ny Ixora coccinea, ka tena kanto sy manome endrika tsara. Ity hazobotry matevina sy mihizina ity dia manana sampana maro ary mahazaka tsara ny fandrantsanana mafy, ka mety tsara hanaovana fefy voarindra tsara, na dia tsara tarehy indrindra aza izy rehefa tsy volavolaina amin' ny hety.

Misy ovan-karazany ambolena maro samihafa izay miavaka noho ny lokon' ny voniny (mavo, mavokely, volomboasary) sy noho ny habeny ity karazana ity. Ovan-karazany maro malaza no fohy diai fohy, izay matetika manana haavo tsy mihoatra ny 0,91 m. Anisan' ireo ovan-karazana fohy malaza ny "Nora Grant", raha toa ka ovan-karazana safiotra malaza kosa ny "Super King" noho izy manana sampahom-boninkazo lehibe kokoa. Ovan-karazany vaovao maro avy amin' ny Ixora coccinea no niseho teny an-tsena tao anatin' ny folo taona vitsivitsy izay, ka nahatonga ity zavamaniry tsara tarehy ity hiverina halaza indray.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]
Voan' ny Ixora coccinea

Ampiasaina hitsaboana aretina isan-karazany ao anatin' ny fitsaboana Ayurveda (fitsaboana nentim-paharazana indiana) sy ny fomba fitsaboana nentim-paharazana maro hafa ny vony, ny ravina, ny faka ary ny tahon' ilay zavamaniry. Ohatra, ao amin' ny fitsaboana nentim-paharazana indiana dia ampiasaina hitsaboana ny piriritra sy ny fery ary ny ateretina angatra ny fangaro azo avy amin' ny ranon-dravina sy ny ranom-boan' ny Ixora coccinea.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]