Bombacaceae


Ny Bombacaceae dia fianakavian' ny hazo trôpikaly, betsaka any Amerika Atsimo. Ahitana karazana miavaka sasany ity fianakaviana ity. Miavaka amin' ny fananany vatana matevina na mivohitra, izay ahafahan' izy ireo mitahiry rano betsaka, ary koa amin' ny tampony mahavariana, mivelatra sady somary fisaka, ny santionany maro. Miangona eo amin' ny tendron-drantsana matevina ny raviny. Lehibe sy manaitra ny voniny misy felany dimy sy lahimbony maro, amin' ny ankapobeny. Misy volo madinika ny hodi-boany, izay indraindray misy elatra. Ahitana karazana 180 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 30 ny Bombacaceae.
Fantatra hatry ny ela ho fianakavian-javamaniry mamony na Angiospermae ny Bombacaceae. Nifototra tamin' ny vondron-karazana filamatra Bombax ny anaran' ny fianakaviana. Toy ny amin' ny anarana bôtanika dia miovaova arakaraka ny fomba fijery taksônômika ny famaritana sy ny satan' ny taksôna maro, ary amin' izao fotoana izao dia nisy ny famindrana ny ampahany be amin' ny fianakaviana Bombacaceae taloha ho any amin' ny zana-pianakaviana Bombacoideae ao anatin' ny fianakaviana Malvaceae, ao amin' ny filaharana Malvales.
Nafindra any amin' ny taksôna hafa ny sisa amin' ilay fianakaviana, indrindra any amin' ny fianakaviana vaovao Durionaceae. Na inona na inona toe-javatra misy amin' izao fotoana izao dia maro amin' ny karazana tany am-boalohany tao amin' ny Bombacaceae no manan-danja ara-tontolo iainana, ara-tantara, ara-kolontsaina ary ara-toekarena, toy ny Ochroma, ny Bombax ceiba, ny Adansonia ary ny Durio.
Vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Ny Bombacaceae dia ahitana karazana 180 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 30.
- Adansonia L.
- Aguiaria Ducke
- Bernoullia Oliv.
- Bombax L.
- Catostemma Benth.
- Cavanillesia Ruiz & Pav.
- Ceiba Mill.
- Chiranthodendron Larreat.
- Eriotheca Schott & Endl.
- Fremontodendron Coville
- Gyranthera Pittier
- Huberodendron Ducke
- Matisia Bonpl.
- Neobuchia Urb.
- Ochroma Sw.
- Pachira Aubl.
- Patinoa Cuatrec.
- Pentaplaris L.O.Williams & Standl.
- Phragmotheca Cuatrec.
- Pseudobombax Dugand
- Quararibea Aubl.
- Scleronema Benth.
- Septotheca Ulbr.
- Spirotheca Ulbr.