Andringitra

Andringitra dia tangoron-tendrombohitr' i Madagasikara, ao amin' ny tapany atsimon' ity nosy ity, 120 km avaratry ny zana-pehin-tany Adijady, 100 km miala ny Ranomasimbe Indiana. Mitandavana avy avaratra mianatsimo io tangoron-tendrombohitra io. Maharatra 62 km ny halavany ary 3 km ny salan-tsakany (10 km izany eo afovoany). Miovaova eo anelanelan' ny 500 sy 2 658 m ny haambony. Ny tendrombohitra Boby, izay mahatratra haambo 2 658 km no tendro avo indrindra ao amin' ity tangoron-tendrombohitra. Ao amin' ny tendrony atsimo no misy ny tendro Ivohibe izay mahatratra 2 069 m. Nampidirina ho anisan' ny valan-javaboarim-pirenena Andringitra tamin' ny taona 1999 ary lasa vakoka voajanahary iraisam-pirenena ao amin' ny lisitry ny UNESCO tamin' ny 2007.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Ambohitantely (tangoron-tendrombohitra)
- Analavelona (tangoron-tendrombohitra)
- Andohahela (tangoron-tendrombohitra)
- Andringitra (tangoron-tendrombohitra)
- Ankaratra (tangoron-tendrombohitra)
- Antampombato (tangoron-tendrombohitra)
- Beampingaratra (tangoron-tendrombohitra)
- Bobaomby (tangoron-tendrombohitra)
- Ibity (tangoron-tendrombohitra)
- Isalo (tangoron-tendrombohitra)
- Itremo (tangoron-tendrombohitra)
- Ivakoany (tangoron-tendrombohitra)
- Kalambatritra (tangoron-tendrombohitra)
- Makay (tangoron-tendrombohitra)
- Marojejy (tangoron-tendrombohitra)
- Mikoboka (tangoron-tendrombohitra)
- Pic Boby (Imarivolanitra) (tangoron-tendrombohitra)
- Sakaraha (tangoron-tendrombohitra)
- Tsaratanana (tangoron-tendrombohitra)
- Vohibory (tangoron-tendrombohitra)
- Lembalemba sy tandavan-tendrombohitra ary tangoron-tendrombohitra eto Madagasikara